Sosialy

Vola fisotroan-dronono Efa nanomboka ny fizarana


  • Talata 13 Oktobra 2020

Somary lasa aloha ny fandoavana ny fisotroan-dronona tamin’ity volana oktobra ity. Nanomboka omaly alatsinainy 12 oktobra 2020 ny andro voalohan'ny fizarana amin'ity volana oktobra ity.

 

 

 Natomboka tamin’ny laharana miafara amin’ny 0-1-2 ny omaly, ary ho an’ireo miafara amin’ny 3-4-5 kosa ny anio; ho an’ireo 6-7-8 rahampitso alarobia 14 oktobra. Ny alakamisy 15 oktobra kosa ho an’ireo miafara amin’ny 9-A-B-C. Ireo mitondra “procuration” sy ireo taraiky kosa dia hanomboka ny zoma 16 oktobra. Nomarihin’ny tahirimbolam-panjakana kosa fa fandaminana ho amin’ny dimy andro voalohany andoavana ny “pension” ihany io lamina io, misokatra foana ity sampan-draharaham-panjakana ity, ary afaka alaina ao anatin’ny telo volana amin’izay fotoana mahamety azy ny fisotroan-dronono aorian’ireo daty ireo. Ho an’ny faritra hafa rehetra ny nosy (TG, TP, PP) dia manaraka ny fitsinjarana fa ny daty andoavana azy kosa dia miankina amin’ny fahatongavan’ny “Titre de paiement des pensions” any amin’ny toerana tsirairay.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT