Sosialy

Vola fanampiana ny taksibe Mbola ny faran’ny taona no mandeha amin’izao


  • Alatsinainy 04 Febroary 2019

Mitaraina ireo mpamily taksibe eto amintsika amin’izao fotoana. Ankoatra ny fitohanana mahazo azy ireo isan’andro na eto an-drenivohitra na any ivelany dia mihamiakatra hatrany ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara amin’ny andavanandro.

 

 

 

 Manampy trotraka izany ny haratsian-dalana, antony hisian’ny resaka mandeha indray fa mety hampiakatra saran-dalana ny ampahany amin’izy ireo. Niezaka nitady vahaolana ny tale jeneralin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana Atoa Reribaky Jeannot ka mbola nanaiky fandaminana ireo taksibe hatreto. Mitaraina kosa ireto farany noho ny fahelan’ny fotoana hahatongavan’ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana eny am-pelatanan’izy ireo. Mbola vao ny faran’ny volana novambra sy desambra mantsy amin’izao no mandeha. Miandrandra fiovana goavana entin’izao fitondrana vaovao vao mijoro izao izy ireo hisorohana ny mety hisian’ny fampiakarana saran-dalana. Tsiahivina fa isaky ny taksibe iray no handoavan’ny fanjakana io fanampiana io ary samy manana ny azy ny tsirairay

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT