Sosialy

Vola CNaPS, karama, fitantanana… Miantso vonjy ny mpiasan’ny INSTAT


  • Alarobia 18 Mey 2022

Nanao fanambarana tetsy amin’ny INSTAT Anosy omaly ireo mpiasa eo anivon’ny INSTAT izay mandray zo tsy miankina na “droit privé”.

Manoloana ny tsy fisian’ny vahaolana tamin’ny fihaonana notarihin’ny mpitantana teto amin’ny INSTAT sy ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny amin’ny famahana ireto olana ireto, hoy izy ireo, dia ny tsy fandoavana ny latsakemboka CNaPS nanomboka ny taona 1996, izay mitentina 1,200 tapitrisa miliara ariary, araka ny lalàna laharana 2003-044 mikasika ny sata mifehy ny asa na “code de travail” sy ny didim-panjakana laharana 98-298 ny 02-04-1998 (Titre II) sy ny fanapahana 62-108 ny 1 oktobra 1962 (Titre II sy III). Eo koa ny tsy fisian’ny fanonerana ny vola lany amin’ny fitsaboana sy fampidirana ny mpiasa amin’ny toeram-pitsaboana toy ny OSTIE araka ny sata mifehy ny asa (Titre IV) mahakasika ny fiahiana ara-tsosialy. Sata mifehy ny asa laharana 2003-044. Eo koa ny tsy fampiharana ny fisondrotan-karama sy fampidirana ny “indemnité de technicité” ary ny fampiakarana ny “indemnité de logement”, araka ny didim-panjakana laharana 98-298 ny 2 aprily 1998 (Titre II) sy ny fanapahana 62-108 ny 1 oktobra 1962 (titre II sy III). Eo koa ny fisian’ny elanelana be loatra eo amin’ny fitantanana ny mpiasa ato amin’ny INSTAT nanomboka ny taona 2020. Miantso anao izahay andriamatoa filoham-pirenena. Vonjeo izahay! Jereo izahay mpiasa ato amin’ny INSTAT, izay lazaina fa mpiasa “droit privé” fa tsy misitraka ny zo fototry ny mpiasa sy anjakan’ny tsy fitoviam-pitondrana na “inégalité de traitement”. Vonjeo izahay andriamatoa lehiben’ny governemanta ary miangavy izahay ny handraisanao an-tanana ny famahana ireo olana ireo faran’izay mety satria efa betsaka ny mpiasa no lasa retirety sy ny maty am-perinasa nefa tsy mba nisitraka ireo zo fototra ireo. Fampidirana ho mpiasam-panjakana ihany no vahaolana. Arotsay hay ilay CNaPS. 400 no isanay tany aloha. 170 izao sisa. Efa tsy misy EPIC izay intsony izao ny mpiasan’ny INSTAT manerantany. Ovay ho lasa EPA io sata io. Misy efa 33 taona niasana ato fa tsy misy CNaPS sy OSTIE, hoy hatrany izy ireo. J. Mirija Legende: Tetsy Anosy omaly
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT