VOKATRY NY TSY FAHAMPIAN-TSAKAFO

Voafonja 6 no namoy ny ainy tany Mananjary


  • Talata 01 Oktobra 2024

mahazo vahana tanteraka ny tsy fanjarian-tsakafo any anatin’ny fonja.

Miteraka fahafatesana mihitsy izany antony namoizan’ireo voafonja miisa 6 ny ainy tany amin’ny distrikan’i Mananjary. Raha araka ny vaovao azo dia tondroin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana efa tany ivelany izy 6 ireo no tsy ampy sakafo. Mbola nanampy trotraka izany ny tao am-ponja izay tsiahivina fa mangahazo 300 grama isan’andro no mba anjara sakafon’ny iray, indrindra fa ho an’ireo tsy misy mpanati-bary. Mahatsiaro ho reraka noho izany ireo voafonja raha tsy lazaina intsony ny tsy fahampian’ny rivotra madio sy ny hateren’ny toerana hiainana. Nambaran’ny talen’ny fandraharahana ny fonja tamin’izany fa efa tonga any Mananjary amin’izao ny sakafo sy ny fanafody omena ireo voafonja any an-toerana. Efa misy dokotera sy manam-pahaizana manokana momba ny sakafo manara-maso koa izy ireo ho fiarovana ny ainy. Fantatra ihany koa fa ny 51%-n’ireo voafonja eto amintsika no efa voatsara hatramin’izao raha mbola miandry kosa ny 49%. Nivoitra ireo nandritra ny fanokafana ilay atrikasa mikasika ny foto-drafitrasa ho an’ny voafonja aty Afrika tanterahina nanomboka omaly hiarahana amin’ny Fikambanana Croix Rouge Malagasy. Amin’ny Zoma 04 Oktobra ho avy izao izany vao hifarana tanteraka.
Pati
Legende : Tsy natao hovonoina ny voafonja fa hahitsy mialohan’ny hiverenany eny anivon’ny fiaraha-monina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT