Sosialy

Vokatry ny tantsaha hatao vatsy tsinjo Nividy karaoty, ovy, laisoa ny fitondrana


  • Alarobia 02 Septambra 2020

Karaoty 10 taonina, ovy 10 taonina, laisoa 5000 no novidian’ny fitondram-panjakana nanomboka omaly. Novidiana tamin’ny vidiny ara-drariny. 600Ar ny kilaon’ny karaoty, raha 450Ar no hakan’ny mpanangom-bokatra tany amin’ny

 

 

Kaominina Ambano Antsirabe nanomboka omaly. Hozaraina eto Antananarivo amin’ny alalan’ny vatsy tsinjo ireo vokatra ireo. Tsiahivina fa ny alatsinainy 31 aogositra lasa teo dia nampahatsiahy isika teto amin’ny Tia Tanindrazana nanoloana ny fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena ny 06 aogositra tany Ambatomena Fianarantsoa, fa hividy ny vokatry ny tantsaha. 24 ora taorian’izay dia nivoaka ny vaovao omaly, fa io nividy vokatra tany Ambano Antsirabe io ny fanjakana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT