Sosialy

Vokatry ny tantsaha any Vakinankaratra In-droa monja no nalain’ny fanjakana tamin’ny fihibohana


  • Talata 30 Martsa 2021

In-droa monja no nalain’ny fanjakana ny vokatr’ireo tantsaha tany amin’ny Faritra Vakinankaratra tamin’ny fihibohana raha

 

 

 araka ny fitarainan’izy ireo dia tsy nitohy intsony izany na dia nodradradraina fatratra aza. Mbola latsakabe ihany koa ny vidim-bokatra nakan’ny fanjakana azy izay nolazaina fa 600 Ar ny iray kilao hoy ny tantsaha iray nefa 500 Ar ihany no naloan’ireo tompon’andraikitra nanankinana izany tamin’ireo tena tompony. Ho an’ny kaominina Ambano manokana raha araka ny fantatra dia 40 taonina ny vokatra nalain’ny fanjakana tao an-toerana nahitana karazana legioma toy ny ovy, karaoty….Tsy nisy intsony anefa izany na dia efa sahirana nanangona aza ireo tantsaha mpamokatra, antony mampihitsoka tanteraka ny vokatr’izy ireo. Nilaza ho tsy tompon’andraikitra tamin’izany vidim-bokatra izany moa ny governoran’ny Faritra Vakinankaratra rehefa nanontaniana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT