Sosialy

Vokatry ny orana Lasa fiveloman’ny olona ny haratsian’ny lalana


  • Alatsinainy 14 Janoary 2019

Mahatsikaiky ! Lasa fiveloman’ny olona tampoka ny haratsian’ny lalana ho an’ny eto an-drenivohitra. Ho an’ny etsy Andavamamba dia tsy maintsy mampiasa posy ireo mpandeha an-tongotra amin’ny sarany 200-300Ar ny olona iray.

 

Ny eny Besarety koa dia mahatratra 400Ar ny sarety. Fa ny mahatsikaiky dia ny etsy Tsena Namontana. Misy lavaka tsentsin’ny rano amin’ny ilany an-kavanana raha ho any amin’ny Tetezana. Feno olona ny manodidina eo sady mihorakoraka. Raha misy fiara  latsaka ao dia tonga mora ireo olona ireo ka tsy manaiky raha tsy 5.000Ar no ho mihoatra. Efa manomboka mahazo vahana amin’ny olona eto ilay ilay fitiavam-bola ka mihavery ilay tsikalam-mpihavanana. Miandry ny filoham-pirenena vaovao ny fanarenana.

Rabeso 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT