Sosialy

Vokatry ny loto sy ny havoretrana Mamely ny aretin-kibo, ny areti-maso eto Iarivo


  • Zoma 18 Oktobra 2019

Tsy misy faritra tsy ahitana loto mivangongo intsony eto an-drenivohitra amin’izao.

 

 

 

 

 Manginy fotsiny ireo toerana takontakona izay lasa fanaovana maloto, nefa tena mitera-doza ho an’ny fahasalamana tokoa. Tsy voahaja ny fahadioavana, kanefa manampy trotraka ny setroka sy loto ateraky ny fiara, izay saika tsy voahara-maso firy eto amintsika ka na fiara efa midonan-tsetroka be aza misy mbola miasa. Gaboraraka tanteraka. Maro ny voka-dratsy aterak’izany raha araka ny fanazavan’ny dokotera Mamy R, omaly. Ho an’ny rivotra manokana izay lasa misy fofona sy maloto dia miteraka ny  aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka sy ny sery izany.  Ao koa ny areti-maso izay nomarihin’ity dokotera ity fa tsy vitan’ny kôlira araka ny mahazatra intsony  ny fitsaboana azy fa ilana fikarakarana manokana mihitsy vokatr’ilay loto miparitaka. Antony mahatonga ny aretin-kibo izay mamely ny olona maro amin’izao ihany koa ny loto. Mety tonga hatrany amin’ny rano sotroina izay mankany am-bava nefa mety entin’ny tanàna na ireo karazan-tsakafo hamidy eny amoron-dalana tsy voatandrina ihany koa. Ho an’ny aretin-kibo dia mety hipiriritra avy hatrany ilay olona ary manotika ny kibo. Miantso ny olona mba samy ho mailo ka hanalavitra ny loto miparitaka ity dokotera iray ity hitandroana ny fahasalamana.

 

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT