Sosialy

Vokatry ny hasarotan’ny fiainana Mitombo isa ireo tsy afaka mitsabo tena intsony


  • Alatsinainy 05 Septambra 2022

Tena mihasarotra hatrany ny fiainana. Izay ahitana ny hanin-ko hanina isan’andro sisa araka izany no laharam-pahamehana ho an’ny isan-tokantrano fa ny ankoatra izay dia tsy misy intsony.

Izany fitsaboan-tena izany moa dia tsy misy intsony raha tsy sanatria efa tena ambavahoana. 20.000 Ar mantsy raha kely amin’izao ny mizaha fahasalamana any amin’ireny tobim-pitsaboana tsy miankina ireny ankoatra ny vidim-panafody izay mety hahatratra hatrany amin’ny 40.000 Ar any raha mora indrindra ho an’ny marary iray. Hifandrombahana hatrany araka izany raha vantany vao misy ireny karazana hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana ireny. Ho an’ny tetsy amin’ny CSB II Faliarivo Ampitatafika manokana ohatra tamin’ny Sabotsy teo dia olona an-jatony no tonga nizaha fahasalamana tao amin’ity hopitalim-panjakana iray ity. Ankoatra ny fitiliana ny aretina diabeta, ny tosi-dra, ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, ny fanentanana momba ny fanabeazana aizana ho an’ny vehivavy mantsy dia nisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana tamin’ny ankapobeny toy ny fijerena maso, ny fanalana nify….Niarahan’ny kaominina Ampitatafika tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izany hetsika izany. Nambaran’ireo mpahazo tombontsoa tamin’izany moa fa irarian’izy ireo hatrany ny hitohizan’ny hetsika tahaka izao ho fanalana fahasahiranana azy. Vola avokoa mantsy raha vantany vao manatona tobim-pitsaboana na dia ho an’ireo miankina amin’ny fanjakana aza. Tsy maintsy misy hoy ny Renim-pianakaviana iray ny fanafody vidiana nefa ny hanin-kohanina ihany koa tsy maintsy mbola tadiavina.
Pati
Legende : Marobe tahaka izao ireo olona nilahatra nijery maso
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT