Sosialy

Vokatry ny haratsian-dalana Vidian’ny sasany mora ny vokatry ny tantsaha


  • Talata 01 Febroary 2022

Tena mahatsiaro mijaly ireo tantsaha mpamokatra manoloana ny haratsian-dalana eto amintsika. An-kavitsiana mantsy sisa ireo mpanangom-bokatra tonga maka ny vokatr’izy ireo hany ka voatery hamidy mora izany.

 

 Ho an’ny vokatra paiso ao Antanifotsy ohatra dia lasa hamidy 1.000 ar ny 25 kg. Rehefa tsy manaiky izany ireo tantsaha dia tsy maintsy ariana.Mety ho simba eny an-dalana ihany koa mantsy ireny paiso ireny no sady lafo ny sara-pitaterana hitondrana azy ka aleo hamidy fatiantoka. Ho an’ny vokatra ovy indray dia 350 ar no hakan’ny mpanangom-bokatra ny iray kilao amin’izao raha havoaka 2000 Ar izy ireny eny an-tsena. Ireo tantsaha mpamokatra ao Manandona no tena mahita faisana amin’izany. Rehefa tsy alefa amin’io vidiny io ihany koka anefa dia lo fotsiny eo am-pitoerana ka aleo hamidy fatiantoka. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana araka izany ireo tantsaha mpamokatra mba hijery akaiky ny zava-misy. Nambaran’izy ireo fa saika manao fampanantenana poakaty avokoa ireo olom-boafidy nandalo teo aminy indrindra fa rehefa misy fifidianana hatao saingy raha vantany vao azon’izy ireny ny toerany dia mijanona ho kobaka am-bava fotsiny izany.

 


Pati
Legende Mijaly noho ny haratsian-dalana ireo tantsaha ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT