VOKATRY NY HAMAFISAN’NY FIAINANA

Lasa tsy mivaky loha ny fiainam-pirenena intsony ny olona


  • Talata 11 Martsa 2025

Tena tsy ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny olona intsony amin’izao ny mandinika

na mivaky loha momba ny fiainam-pirenena. Amin’ny ankapobeny dia noho ny hasarotan’ny fiainana no mahatonga izany raha araka ny fanadihadiana natao tamina olom-pirenena nanaiky niresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana. Ny fampandehanana ny fiainana isan’andro aloha no tena mamaky loha azy ireny dia tahaka izay hatrany. Tena zava-doza anefa izany olom-pirenena tsy mandray andraikitra amin’ny fiainam-pirenena izany.
Lolona : Ny ahy aloha ilay miatrika ny fiainana isan’andro mihitsy izao no tena mahavaky ny lohako eh ! Aiza indray no ahitana ny hanina hohanina androany, ahoana ny hofantranon’olona, ahoana no hatao raha sanatria ka marary, ahoana ny hanefana ny trosan’olona….Tena sarotra anie ilay fiainana eh. Na kely na betsaka vola hita dia tsy ampy foana. Tena mangidy hany ka tsy ao anaty fandaharam-potoana intsony ilay handinika ny fiainam-pirenena.
Vero : Mba manokana fotoana ho amin’izay ihany aho fa kely. Rehefa faran’ny herinandro ohatra mijery ny hataon’ireo mpanao politika marobe eto amintsika, ny fisondrotry ny vidim-piainana izay tena tsy voafehin’ilay fanjakana intsony mihitsy….Na izany aza dia hitako hoe : tsy afa-manoatra ny manidina. Na mahita zavatra tsy mety marobe aza dia variana amin’ny fitadiavana eh ! Voafatotry ny fahasahiranana dia mandeha eny ihany ny fotoana. Tsy maintsy mihinana mantsy ilay ankohonana isan’andro. Ny vary koa efa 1100 Ar ny iray kapoaka.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT