Sosialy

Vokatry ny fidangan’ny vidin’ny akora Misedra olana ireo mpanao fanaka matihanina


  • Alarobia 05 Oktobra 2022

Velon-taraina fatratra ireo mpanao fanaka matihanina eto amintsika amin’izao. Ankoatra ny fidangan’ny vidin’ny akora mantsy izay misy hafarana avy any ivelany mihitsy ny sasany dia tsy misy mpividy ihany koa ny vokatra vokarin’izy ireo.

Noho ny fahasahiranan’ny isam-baravarana mantsy dia lasa tsy laharam-pahamehana ho an’ny rehetra intsony izany fividianana fanaka izany. Lasa ambin-javatra sisa izany ary raha mividy aza dia amin’ilay mora hatrany no tena katsahin’ny sasany. Tsy vitan’izay fa lasa feno mpanao hosoka maro be ihany koa amin’ity sehatry ny fanamboarana fanaka matihanina ity eto amintsika. Raha araka ny fanadihadiana natao tamin-dRakotoarisoa Tiana, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Art du meuble ohatra izay efa 16 taona ny nijoroana teto amintsika dia mitombo isan’andro ireo mpaka tahaka izay mitavana ny asa sain’ny hafa fotsiny. Ny zavatra foronin’ny mpanao fanaka iray ihany no alainy dia mody ampiana kely fotsiny dia soratany any amin’ny OMAPI ary lazainy fa azy ka hananany zo feno. Ireo alefa sy haseho amin’ny tambazotran-tserasera faceboook no tena tratran’izany hoy hatrany Rakotoarisoa Tiana. Mangataka ny mba hijeren’ny OMAPI ny lalana mikasika ity fizaka-manana ara-tsaina eto amintsika ity araka izany izy ireo. Ilay fanovana ny lalana mihitsy no takiany entina hanafoanana ireo mpanao hosoka sy mpaka tahaka amin’ny resaka famokarana fanaka eto amintsika. Nomarihiny manokana moa fa tena misy Malagasy mahay manamboatra fanaka eto amintsika. Tsy tokony hosodokan’ireo fanaka avy any ivelany intsony araka izany ny rehetra fa hahay hijery tsara kosa hahafahana manavaka ny vary amin’ny tsiparifary.
Pati
Legende : Ilana fandraisan’andraikitry ny OMAPI ny fiarovana ny asa tananan’olona tahaka izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT