Sosialy

Vokatry ny fahasahiranana Mivaro-pananana ny 60%-n’ny tokantrano Malagasy


  • Sabotsy 16 Mey 2020

Sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy vokatry ny fihibohana. Ankoatra ireo natsahatra tsy fidiny tamin’ny asany mantsy dia voafetra ihany

 

 

 

 

koa ny ora hahafahana mitady vola ho an’ireo mbola tafajanona ihany ka misy fiantraikany mivantana amin’ny fampandehanana ny fiainana izany. Ny mivaro-pananana sisa araka izany no hitan’ireo tokantrano maro an’isa fa vahaolana. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpandray entana tonta maromaro teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny dia ny 60 %-n’ny tokantrano Malagasy no mivaro-panana amin’izao. Marobe ny entana tonga teny amin’izy ireo tao anatin’ny iray volana sy tapany izao. Ireo kojakoja fampiasa ao an-dakozia no tena betsaka amin’izany toy ny vilany, ny sotro, ny fitoeram-bilia, ny lovia fihinanana 6 miaraka sy ireo sotro notehirizina hiandrasana vahiny….Ankoatra ireto farany dia marobe koa ireo mivarotra ny latabatra sy ny seza fihinanana, ny zava-maneno toy ny subwoofer…Amin’ny ankapobeny dia mila vola maika avokoa ny tompon’entana raha araka ny fanadihadiana natao mba hatao sakafo. Mbola manano sarotra ihany koa anefa ny fitadiavana ireo mpividy antony mahatonga ireo mpaka entana tonta tsy maintsy maka tombony sy manone fe-potoana hatramin’ny herinandro. Ny tena mampalahelo anefa raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra entana iray dia raha 30.000 Ar no nividianany vilany lehibe iray teo aloha dia 15.000 na 10.000 Ar sisa no hividianan’ny mpanjifa izany ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fihibohana izao.Na izany aza anefa tsy afa-manoatra izy ireo fa ny sakafo aloha no tsy maintsy hatao laharam-pahamehana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT