VOKATRY NY FAHASAHIRANANA

Mitombo isa ireo Malagasy matimaty foana


  • Alatsinainy 20 Novambra 2023

Mitombo isa hatrany ireo Malagasy mamoy ny ainy tsy fidiny vokatry ny tsy fisiana sy ny fahasahiranana.

Ankoatra ny fihinanana sakafo tapa-kibo indray mandeha isan’andro sisa dia tsy vitsy ireo tsy mahaloa hofantrano intsony ka lasa mipetraka any anaty dabam-pako sy eny amoron-dalana. Tsy misy hafa amin’izany ny nanjo ilay Raim-pianakaviana iray monina ao amin’ny Carrier Imandry Fianarantsoa. Ao anaty dabam-pako mihitsy izy no mipetraka ary namoy ny ainy ny faran’ny herinandro teo. Raha ny tombana dia mety ho noana no sady nangatsiaka ity Raim-pianakaviana ity antony namoizany ny ainy tsy fidiny. Toraka izany koa ny nanjo ilay Raim-pianakaviana iray izay naterin’ny zandary avy ao Ambohidratrimo tao amin’ny CHU Anosiala tamin’ny Alakamisy lasa teo. Tena narary mafy io Rangahy io raha araka ny fantatra ka nomen’ireo mpitsabo tao an-toerana ny fikarakarana rehetra toy ny tao amin'ny vonjy taitra sy ny sampana fameloman'aina. Na izany aza anefa dia tsy tana ny ainy. Raha araka ny vaovao azo dia tsy nisy mpanaraka Itompokolahy fony fahavelony ary tsy mbola nisy fianakaviany naka koa ny nofo mangatsiakany hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Porofo mivaingana avokoa izany rehetra izany fa tena sahirana ny Malagasy. Na ny handevina ny fianakaviana maty aza efa hialana bala vokatry ny hasarotan’ny fiainana.
Pati
Legende : Ity ilay Raim-pianakaviana namoy ny ainy tao amin’ny CHU Anosiala !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT