VOKATRY NY FAHASAHIRANANA

Manenjika didim-poitra faobe ny ankamaroan’ny olona


  • Alakamisy 12 Jona 2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,

fotoana fanaovana famoran-jaza ho an’ireo niteraka lahikely. Tsy maintsy manomana 100.000 Ar anefa raha kely vao mahavita izany ankoatra ny fitafiana hanaovan’ny zaza sy ny kilalaony. Tsy manana teti-bola natokana ho amin’izany ny ankamaroan’ny olona raha araka ny fanadihadiana natao. Mbola ny fitadiavana ny hanin-ko hanina isan’andro aloha no tena manahirana azy ireny. Lasa manenjika famoran-jaza faobe ny ankabeazan’ny olona vokatr’izany ka mihazakazaka manoratra anarana eny anivon’ny Fokontany raha vantany migadona ny volana Jona. Ho an’ny kaominina Alasora manokana dia tafakatra 230 isa ireo zazalahy kely natao izany tamin’ity taona ity raha 150 isa tamin’ny taon-dasa. Nanomboka omaly Alarobia 11 Jona no nanaovana ny hetsika izay nitetezana Fokontany, raha tamin’ny fomba Amerikana no nanatanterahana ny fandidiana. Tanjona ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny no sady hitsinjovana ireo zaza vao nodidiana ihany koa mba ho mora sitrana izany no sady tsy mandeha ra be.
Pati
Legende : Amin’ny fomba Amerikana ny ankamaroan’ireo fanaovana didim-poitra faobe amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT