VOKATRY NY FAHASAHIRANANA

Betsaka ireo olona torana sy fanina eny an-dalana


  • Talata 30 Janoary 2024

Nitombo isa tato ho ato ireo olona hita fa fanina dia mianjera eny an-dalana

na koa torana tsy mahatsiaro tena avy hatrany. Raha araka ny fanadihadiana natao dia maro amin’izy ireny no noana noho ny tsy fananana fahafahana hisakafo maraina vokatry ny hasarotan’ny fiainana raha eo ihany koa ireo efa reraky ny adin-tsaina nandritra ny alina tsy nahita tory nefa tsy maintsy mifoha maraina indray. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 45 taona mahery teo ho eo omaly no nitaraina ho noana ka nomena lasopy rehefa nandalo tao Ankadilalana ao amin’ny Fokontany Ambohimangakely, lalam-pirenena faharoa. Rehefa laniny anefa ilay sakafo dia nitaraina ho fanina indray izy ka nihakarapoka tamin'ny tany. Voatery niantso ireny fiara fitondrana marary ireny ny sefom-pokontany noho izany nitondrana azy teny amin’ny hopitaly CHRD Ambohimangakely ka avotra soa aman-tsara ihany ny ainy. Na izany aza dia fantatra fa mbola verivery saina izy hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay ka izany anaran-tanana Ambohitrakely izany hatrany no naverimberiny. Raha ny tombana dia mety ho nanana adin-tsaina mafy ity Renim-pianakaviana ity nefa mbola tsy nisakafo ara-dalana ihany koa, antony tena nahavoa mafy azy. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy moa teny aminy. Mbola nanaraka fitsaboana tao amin’ity hopitaly manara-penitra ity izy hatramin’ny omaly hariva koa hiantsoana ny fianakaviany na koa ireo olona mahalala azy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay Renim-pianakaviana nianjera teny Ambohimangakely omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT