Vokatry ny fahantrana lalina

Mihabetsaka ireo mitrosa vary masaka eny amin’ny hotely


  • Alarobia 28 Aogositra 2024

Mihabetsaka ireo olona mitrosa vary masaka eny amin’ny hotely amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao.

Raha ny 10%-n’ireo mpiasa eny anivon’ny orinasa manakaiky ireny hotely tsotra fisakafoanana ireny no tena nanao izany teo aloha dia efa mahatratra 50% ankehitriny. Raha araka ny fanazavan’ny Renim-pianakaviana mpivarotra iray dia vokatry ny fahasahiranana sy ny hasarotan’ny fiainana avokoa no mahatonga izany. Ny fidiran’ny mpianatra aloha hatreto no nambarany fa tena mampikaikaika ireo mpiasa tonga mitrosa sakafo ao aminy. Amin’ny ankapobeny dia 2.000 Ar isan’andro eo ho eo ny vary masaka trosain’ny mpiasa iray, hataony sakafo atoandro. Handoavany 40.000 Ar isam-bolana izany rehefa faran’ny volana hialan’ny andro Sabotsy sy Alahady. Nanomboka ny volana Jolay lasa teo no niainan’ity Renim-pianakaviana mpivarotra ity izany trosan-tsakafo hataon’ny mpiasa izany. Nomarihiny manokana moa fa misy mandoa ihany ny sasany amin’izy ireo raha manjavona tsy hita intsony kosa ny sasany. Voatery nandray fepetra tsy manome ireo tsy hatokisany intsony vokatr’izany ity Renim-pianakaviana ity. Manahy ny hahafaty ny tsenany ihany koa mantsy izy raha mitohy ny fitserana tsy miato ireo olona sahirana tonga manatona azy.
Pati
Legende : Na ny sakafo masaka tahaka izao aza efa trosain’ny Malagasy amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT