Sosialy

Vokatra Mucuna 10 taonina isaky ny hektara no azo ao Ankazomiriotra


  • Zoma 15 Jolay 2022

Zavamaniry fanao sakafo mbola tsy dia be mpahalala loatra ny Mucuna. Miendrika voamaina toy ny tsaramaso izy io ary misy karazany sy loko maro.

Isan'ny fantatra ho tena mpamokatra azy io ny ao Ankazomiriotra sy ny manodidina azy io. Araka ny fampitam-baovaona mpamokatra iray avy any an-toerana dia mahatratra hatrany amin'ny 10 taonina isaky ny hektara isan-taona ny vokatra azo ao Ankazomiriotra. Misy ny manao azy ho laoka amin'ny vary. Misy ny manao azy ho fanampin-tsakafo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Mila fitandremana ny fihinanana azy ity anefa satria dia mitondra otrikaina antsoina hoe "dopamine" izy io ka raha sanatria tafahoatra ny fetrany dia mety hampidi-doza ho an'ny fahasalamana. Ny firenena indianina sy ny aty amin'ny kaontinanta afrikanina aty moa no tena mpamokatra ny Mucuna, raha ny fampitam-baovao sy fanadihadiana natao hatrany.
J. Mirija
Légende: Toy izao no santionany amin'ny karazana Mucuna.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT