Vokatra mangahazo

Azo avadika sakafo maro misy otrikaina


  • Alarobia 13 Aogositra 2025

Azo atao tsara ny mamadika ny mangahazo ho lasa vokatra ara-pahasalamàna,

raha ny fanazavàn’ny orinasa mpamokatra izany avy any Antsirabe, izay handray anjara amin’ny hetsika Foir’ferme andiany faha 6 etsy amin’ny Sainte Famille Mahamasina ny 14 hatramin’ny 17 aogositra izao. Ny mahazatra antsika dia mamaofy sy mahandro mangahazo na mikiky sy manaha izany nefa io azo avadika ho biskoitra na lafarinina, hoy ny fanazavàna. Misy tantsaha mamatsy anay, hoy izy ireo, dia mba tsy amin’ny toko no alainay amin’izay na amin’ny kapoaka fa amin’ny taonina. Eo amin’ny resaka otrikaina ho entin’izay vokatra voahodina izay aloha izany ny hoe tsy manary kalsioma intsony ilay izy rehefa mivadika ho lafarinina. Sahala amin’ny sakafo rehetra ihany io. Misy ny antsoina hoe famenon-tsakafo na «complément alimentaire». Nisy ny fahazoana sertifika ahafaha-manjifa na «certificat de consomabilité» avy amin’ny minisitera ary efa niaraha-niasa koa ny ONN na ny ofisim-pirenena momba ny sakafo noho ny fahitan-dry zareo ny fahatsaràn’ilay vokatra. Zava-dehibe ilay hoe «farine sans gluten» satria io «gluten» dia akora amin’ny varim-bazaha. Miha betsaka izao ny olona tsy mahazaka izany «gluten» izany. Ny lafarinina avy amin’ny mangahazo nefa tsy misy an’io dia mahasalama kokoa no dikan’izay. Betsaka ny otrikaina azo avy aminy ary mampatanjaka kokoa io. Manadio tsinay io «farine sans gluten» io. Ny fahitanay ny fisondrotan’ny vidim-bary no tena naharesy lahatra anay hanodina mangahazo. Matanjaka amin’izany ny afrikanina toy ny nizerianina ary foto-tsakafony ilay izy. Olona nonina tany Nizeria nandritry ny 10 taona no nijoro vavolombelona taminay. Maromaro no vokatra azo tovozina amin’ny mangahazo. Izahay izao manana ny atao hoe «farine de tapioca». Misy ampiarahanay amin’ny ronono io. Ny biskoitra izao misy karazany 3 ny atao «Cookies». Ao ny misy sokolà, koko, voasarimakirana. Misy «croquette» ao, dité, biskoitra hafa karazana sy maro hafa. Mandray mangahazo 6 taonina isam-bolana eo izahay avadika lafarinina, hoy hatrany ny fanazavàn’ireto mpandraharaha ireto mikasika izay vokatra mangahazo azo avadika sakafo maro misy otrikaina izay.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT