Sosialy

Vokatra Malagasy haparitaka any Amerika avaratra


  • Alatsinainy 03 Jolay 2023

Nihaona tamin’ny Diaspora ny minisitera

Tontosa ny sabotsy teo tetsy amin’ny Centell hotel Antanimena ny tatitra momba ny atao hoe «Mission économique et commerciale au Canada» na MECC 2023 na iraka ara-toekarena sy varotra tany Kanada. Fifanakalozana iraisampirenena momba ny tsena ara-tsakafo sy fambolena eo amin’ny firenena malagasy sy kanadianina izy io ary tamin’ny alalan’ilay fifandraisana ara-toekarena eo amin’ny firenena 2 tonta antsoina hoe CanCham kosa no niantohana betsaka tamin’ny fanatontosana azy. Ny 8 hatramin’ny 19 may teo moa, raha ny fandaharam-potoana voafaritra, no natao tany Toronto, Kanada, ny hetsika ara-barotra iraisampirenena momba ny sehatra voalaza teo na ny «Salon International de l'Agroalimentaire» (SIAL) ka isan’ireo mpandray anjara tao anatin’izany, mazava ho azy, ireto firenena 2 tonta ireto. Araka ny fanazavan’ny tale jeneraly misahana ny varotra sy fanjifana eo anivon’ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria, varotra, sy fanjifana, Isidore Razanakoto, dia nanomboka ny 6 may izy ireo no nisantatra izay iraka izay, niaraka tamin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny ary ny minisiteran’ny fiompiana sy fambolena niaraka tamin’ireo mpisehatra teo anivon’ny antenimieran’ny varotra ao Kanada, izay nisy malagasy. Ny 6 may hatramin’ny faha 20 may, hoy izy, no tena namitana izay iraka ara-barotra sy ekonomika izay ary nahitana fandraisana anjara fenon’ny sehatra tsy miankina hampiroboroboana ny fifandraisana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Kanada. Firenena miisa 80 teo kosa no nandray anjara tao anatin’ny SIAL ary isany isika eto Madagasikara. Taorian’io dia nisy ny fihaonana tamin’ireo malagasy mila ravinahitra any Kanada na diaspora mba hifandraisan’ny samy malagasy sy hifanakalozany amin’ireo mpisehatra ara-barotra mivondrona anatin’ny antenimieran’ny varotra ao Kanada sy Madagasikara ahafahan’izy ireo koa manaparitaka ny vokatra avy eto Madagasikara ho any amin’ireo firenena any Amerika avaratra. Nisy koa ny fihaonana tamin’ireo tomponandraiki-panjakana kanadianina izay niresahana koa ny mety hanatsarana ny fifandraisana ara-toekarena sy diplaomatika. Teo koa ny fitsidihana ireo orinasa nahita maodelim-pandrosoana samihafa izay nandraisan’ireo delegasionintsika ny lesona tsara azo tsoahina sy ny lesoka, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT