VOKATRA KABARO AO MENABE

Mitobaka, tsy misy mpividy


  • Alatsinainy 11 Novambra 2024

Mitobaka ny vokatra kabaro any amin’ny Faritra Menabe.

Ny ao amin’ny distrikan’i Manja no tena mitana ny laharana voalohany amin’izany saingy tsy misy mpividy, raha araka ny vaovao. Velaran-tany 3.300 Ha mantsy no voavolin’ny mponina tamin’ity taona ity nahazoana vokatra kabaro hatrany amin’ny 6.800 T. Mihitsoka tanteraka ny vola nampiasain’ireo tantsaha mpamokatra vokatr’izany. Tsy manana teknika afa-tsy ny fanamainana ny vokatra anefa izy ireo saingy mbola miandry amam-bolana maro ihany koa vao tonga amin’ny tanjona kendrena, arahin’ny haratsian-dalana mitondra azy mivoaka ny faritra. Noho ny toetr’andro tsara teo aloha moa no voalaza fa nahatsara ny vokatra kabaro tany amin’ny Faritra Menabe. Hetahetan’izy ireo araka izany ny hahatongavan’ireo mpandraharaha any an-toerana handray ny vokatra vokarin’izy ireo. Tafakatra 9.000 T moa no tontalin’ireo vokatra kabaro navoakan’ireo distrika rehetra tao Menabe tamin’ity taona 2024 ity raha 7.000 T tamin’ny taon-dasa.
Pati
Legende : Jerem-potsiny tahaka izao ny vokatra kabaro any amin’ny Faritra Menabe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT