Sosialy

Voka-pikarohan’ny mpianatra Mamokatra herinaratra ihany koa ny vary


  • Alatsinainy 08 Jolay 2019

Vao ny 35 %-n’ny mponina raha betsaka no misitraka herinaratra eto amintsika.

 

 

Ny mponina an-tanàn-dehibe no tena voakasik’izany raha mbola miaina anatin’ny haizina kosa ireo mponina eny ambanivohitra. Nahita vahaolana entina hamahana izany ireo mpianatry ny sekoly ambony ISPM eny Antsobolo sady tsy lavitra. Io vary vokarin’ny tantsaha mpamokatra io ihany mantsy no hitan’izy ireo fa azo hamokarana herinaratra ho an’ny isan-tokantranony ka zakany tsara ny famahanana finday sy ny fihainoana radio, miankina amin’ny filan’ny tsirairay. Efa nahitan’ireo mpianatry ny ISPM vahaolana ihany koa ny halafosan’ny vidin-tsolika ka tamin’ny alalan’ny pipi na fivalanan-drano indray no nanaovan’izy ireo fikarohana ka nahazoana solika. Orinasa marobe no tonga nitsidika ireo voka-pikarohana voalaza ireo nanomboka ny alatsinainy lasa teo nifarana afak’omaly sabotsy. Afa-po tanteraka ny mpikarakara, raha araka ny fanazavan-dRahety Aimée, tompon’andraikitra ara-bola eo anivon’ny sekoly ary maniry hatrany ny hitohizan’ny fiaraha-miasa. Miisa 360 moa raha tsiahivina ireo tranoheva nandray anjara tamin’ity hetsika ity ka ny 150 isa voafantina tsara indrindra amin’izy ireo no fantatra fa hiakatra etsy amin’ny Carlton Anosy afaka herinandro vitsivitsy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT