Sosialy

Voka-dratsin’ny rivodoza Nihena ny voka-bary safiotra


  • Alarobia 11 Mey 2022

Nihena tsy toy ny mahazatra isan-taona ihany koa ny vokatra vary safiotra na “riz hybride” ho an’ity taona 2022 ity.

Raha ny fampahafantarana voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana dia nidina ho 9 taonina hatramin’ny 10 taonina isaky ny hektara ny vokatra tamin’ity raha toa ka 11 taonina fara faha keliny ny hatramin’izay. Na izany na tsy izany aza anefa dia mbola betsaka lavitra mitaha amin’ireo voka-bary mahazatra izay 5 hatramin’ny 6 taonina isaky ny hektara izany. Vokatry ny fandalovan’ny andro ratsy na ny rivodoza farany teto Madagasikara teo moa no voalaza fa tena hita ho antony nahatonga ny fidinan’ny voka-bary safiotra izay. Tsiahivina fa ny tetikasa vary safiotra dia fiaraha-miasa amin’ny rafitry ny firenena mikambana miompana amin’ny sakafo na FAO ary ifamatoran’ny firenena sinoa sy Malagasy kokoa, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT