Sosialy

Voina any Maroantsetra Nitondra fanampiana ny governemanta


  • Zoma 29 Janoary 2021

Nidina tany amin’ny distrikan’i Maroantsetra, Faritra Analanjirofo ny Praiminisitra Ntsay Christian,

 

 

 

 notronina mpikambana sasantsasany ao amin’ny governemanta, nijery ny toe-java-misy ary nitondra ireo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana noho ny voka-dratsin’ny rivodoza. Ny kaominina Anjanazana, Ambinanitelo ary Mariarano no notsidihin’ny delegasiona. Nambaran’ny Praiminisitra fa vahaolana vonjimaika entina hamonjena ireo tena voa mafy fotsiny ihany ireto nentina ireto, ka anjaran’ny Ministeran’ny Mponina sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao Maroantsetra ny fitsinjarana ny vary, voamaina, tafo fanitso, ary simenitra . Nandritra izao fitsidihana izao ihany koa no niresahana vinam-pampandrosoana maro. Nambara fa hisitraka CEG manara-penitra ny Kaominina Mariarano ary hitadiavana vahaolana ny tsy fahampian’ny mpampianatra. Hametrahana hopitaly manara-penitra ihany koa ao Maroantsetra izay renivohitry ny distrika, ary tsy ho ela dia ho tonga ao an-toerana ny fiara mpitondra marary (ambulance). Nilaza ny Praiminisitra fa ho avy tsy ho ela ireo fitaovana fanamboaran-dalana izay nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika ary dia haverina amin’ny laoniny sy harenina ireo lalana rehetra ho fanamorana ny famoaham-bokatra. Velaran-tany 40 000ha no azo trandrahana ao Maroantsetra, hoy hatrany izy, ka ilana fanarenana araka izany ireo fotodrafitrasa fototra eo amin’ny sehatry ny fambolena, toy ny toha-drano. Taorian’ny fitsidihana kaominina telo, nitarika dinika arak’asa tao amin’ny kaominina ambonivohitr'i Maroantsetra niaraka tamin’ireo solotenam-panjakana sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny any amin’ny Faritra, ny Praiminisitra. Ny fampandehanana ny asam-panjakana amin'ny ankapobeny no nifantohan'ny dinika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT