Sosialy

Voina am-perin’asa Mila famonjena maika ireo roalahy nipoahan’ny vato


  • Alakamisy 20 Aogositra 2020

Lehilahy roa zanak’olom-pianadahy no indray naratra mafy ny sabotsy teo teny Ivato Anjomakely, rehefa nipitihan’ny vato napoakany tamin'ny vanja. Zazalahy kely 15 taona ny iray tamin’izy ireo raha 26 taona kosa ilay iray, izay samy nanampy ireo Ray aman-dReniny amin’ity asa ity.

 

 

 

Ao amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy ireo no tsaboina ankehitriny. Voa mafy ary simba be ny tarehy sy ny tanan'izy ireo. Ny an'ilay iray aza voalaza fa tafiditry ny vato kely eo amin'ny handriny ary voadona ny ati-dohany. Naratra ihany koa ny rain'ny iray amin'izy ireo saingy, noho ny tsy fisiam-bola enti-mitsabo dia miafiafy any an-trano ihany, manaraka izay fitsaboana zakan’ny vola. Tsy vita mora ny azy mirahalahy fa mila "scanner" mialohan'ny handidiana azy, rah any fantatra. Ny an'ilay zandriny ny maso, ary ny an'ilay zokiny ny loha. Miandry mpanome rà ihany koa ity farany. O- ny sokajin-dràny. Efa nisy olona roa tonga nanome saingy tsy mbola ampy, hoy ny fianakaviana. Efa tokony ho tamin'izy ireo vao niditra hopitaly no natao ny fandidiana fa noho ny fahasahiranana sy ny tsy fahampiam-bolan'ny fianakaviana dia tsy vita hatramin'izao. Mangataka fanampiana amintsika tsara sitra-po sy malala-tanana rehetra araka izany izy ireo. Ny laharam-pinday 034 31 311 88 no hahafahana mifandray amin’izy ireo.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT