Sosialy

Vohipeno Mamelon-janaka irery ny 10%n’ireo renim-pianakaviana


  • Alakamisy 07 Oktobra 2021

Iray amin’ireo andraikitra hihantsorohan’ny Fanjakana foibe amin’ny alalan’ny fandaharanasa vatsin’ankohonana ihany koa ny fanohanana ny Reny sy ny zaza amin’ny alalan’ny tantsoroka maro.

 Raha ny ao amin’ny distrikan’i Vohipeno manokana dia 10% ny renim-pianakaviana ao an-toerana dia « vehivavy mivandrika » na « mère célibataire » avokoa ka voatery mamelona samy irery ny zanany. Ho fanohanana azy ireo indrindra, ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa vatsin’ankohonana dia entanina ireo ankohonana misitraka ity vatsy ity, hijoro amin’ny maha-olom-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fampahafantarana azy ireo ny maha zava-dehibe ny fananana karapanondro, ny maha-zava-dehibe ny fananan’ny ankizy kopia, ny maha zava-dehibe ny fanatonana tobim-pahasalamana.
Legende 1 : Ramatoa Rajaobelina Marie Lucie, Lehiben'ny Distrikan'i Vohipeno
Tao anatin’ny 5 taona nisihan’ny fandaharanasa dia hita mivantana ny fitombohan’ireo ankohonana manana karapanondro, ny fahavitrihan’ny reny manamboatra kopia ho an’ny zanany ary betsaka ihany koa ny fianakaviana mazoto mamonjy tobim-pahasalamana na amin’ny resaka fanaovam-baksiny ny zanany na ny reny bevohoka, araka ny nambaran’dRamatoa Rajaobelina Marie Lucie, Lehiben'ny Distrikan'i Vohipeno. Antony iray goavana nahatonga ny olona tsy liana tamin’ny fanaovana kopia sy karapanondro hoy izy ny fahasahiranana lalina mianjady amin’izy ireo izay nahatonga ireto farany nifantoka misimisy kokoa tamin’ny fitadiavana ny sakafo hoanina isan’andro. Nivaha tsikelikely anefa izay taorian’ny tantsoroka natolotry ny FID, izay mpanatanteraka ny fandaharanasa « vatsin’ankohonana » ka isan’ny seham-pihariana nentin’ity fandaharanasa ity nitaritana azy ireo hihoatra lavitra amin’ny fiainana ny resaka asa-tanana, fambolena, fiompiana. Efa eo am-pijerena ny tohana entina hanohanana ny zava-bitan’ireo mpisitraka ireo ihany koa ny tompon’andraikitra any an-toerana amin’izao fotoana. Tsiahivina fa kaominina miisa 16 amin’ny 21 ao amin’ny distrikan’i Vohipeno no misitraka ny fandaharanasa vatsin’ankohonana nanomboka ny taona 2016 ka hatramin’ny volana febroary taona 2022. Mpisitraka « vatsin’ankohonana » manodidina ny 4000 amin’ireo 8500 no tsy nanana karapanondro tany am-piandohana.
Legende 2 : tantsaha mpisitraka ny vatsin’ankohonana
Lalaina Rav
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT