Sosialy

VOHIPENO-FENERIVE EST Atakalo vary iray kapoaka ny lavanila 2 kg…


  • Alarobia 09 Aogositra 2023

Mafy ny fahasahiranana mianjady amin’ireo tantsaha mpamokatra lavanila any amin’ny distrikan’i Vohipeno sy Fenerive-Est.

Raha araka ny vaovao voaray mantsy dia hamidy 500 Ar ny iray kilao amin’ny lavanila any an-toerana amin’izao fotoana izao. Misy ihany koa manakalo ny lavanila maitso 2 kg ho vary iray kapoaka mba hahafahan’ny ankohonana mihinana indray mandrotsaka. Tsy misy hafa amin’izay ny fiainan’ireo tantsaha mpamokatra lavanila any amin’ny Faritra SAVA saingy mbola ambonimbony kely kokoa. Efa nampidinina ho 6.000 Ar mantsy ny iray kilao amin’ny lavanila nefa mbola tsy misy mpanjifa ihany. Raha araka ny fantatra anefa dia mahatratra 4 taonina sy 200 kilao ny lavanila tonga eny tsena amin’izao fotoam-pisokafan’ny tsenan’ny lanavila izao saingy tsy misy mpaka ihany koa. Betsaka amin’ireo tantsaha no very fanahy mbola velona noho izany koa manahy mafy izay mety ho tohin’ny antom-pivelomany. Hatramin’ny nijabahan’ny fitondram-panjakana tamin’ity resaka lanavila ity moa raha tsiahivina no nampitontongana fatratra ny fiainan’ireo tantsaha mpamnoly azy tahaka izao.

Hakariko avo telo heny ny vidin’ny lavanila, hoy ny Filoham-pirenena ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny propagandy 2018, ka ny faritra mpamokatra lavanila dia I SAVA sy Analanjirofo no nahazoany isam-bato be indrindra tamin’izany. Manodidina ny 1 tapitrisa Ar ny kilaon’ny lavanila maina tamin’izany, ary manodidina ny ampahaimin’io ankehitriny. Mbola nampiany indray taty aoriana hoe: tsy havelako hogejain’olom-bitsy ny lavanila! Aiza ho aiza isika izao dimy taona aty aoriana?
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy misy mpividy ny lavanila maitso any amin’ny faritra avaratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT