Sosialy

Voavy Paulin sy Ibrahim Amada


  • Alarobia 18 Novambra 2020

Samy nanolotra fanomezana ho an’ny Malagasy

 

 

 

 

Ny 10 novambra 1987 no teraka ny lohalaharana Malagasy eo anivon’ny ekipam-pirenena Malagasy, Voavy Paulin, ary ny 16 novambra 1990 kosa no teraka ny irakiraka afovoan’ny Barea, Ibrahim Amada. Samy nanome fanomezana ny vahoaka Malagasy noho izay tsingerintaonany izay izy mirahalahy ireto satria i Paulin no namono ny baolina ho an’ny Barea ka nampihena ny elanelan’isa ho 2 noho 1 tamin’ny lalao mandroso natao tany Cote d’Ivoire ny 12 novambra teo. Ibrahim kosa no nanasahala ny isa ho 1 noho 1 tamin’ny fihaonantsika tamin’ny Cote d’Ivoire ihany nandritry ny lalao miverina ho an’ny vondrona K teo amin’ny roa tonta eo amin’ny fiadiana ny tapakila hanaovana CAN 2021 any Kameronina tao Barikadimy, Toamasina, omaly. Inoana sy antenaina fa tsy hijanona hatreo izay fanomezana hatolotr’izy mirahalahy ireto ho an’ny Malagasy izay.

J. Mirija Legende: Irainilekely sy Ibra

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT