Sosialy

Voatondro ho namosavy olona Saika niharan'ny fitsaram-bahoaka ilay vehivavy


  • Zoma 21 Janoary 2022

Vehivavy iray, 47 taona no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ny alarobia 19 janoary lasa teo raha tsy tonga faingana ny mpitandro filaminana mivondrona amin’ny Force de Défense et de Sécurité ao amin’ny faritra Manakara.

Vehivavy iray, 31 taona, manan-janaka 04 no maty tamin’ny fomba mampiahiahy ny fianakaviany ny ny fiatombohan’ny herinandro teo raha tsiahivina. Nilaza koa ity vehivavy ity talohan’ny nahafatesany fa vehivavy iray monina ao Andranofasika Atsinanana no namosavy sy nanapoizina azy izay tsy iza fa io saika niharan'ny fitsaram-bahoaka io. Tezitra noho izany ny fianakavian’ny maty ka nisambotra ilay vehivavy 47 taona voatondro ho mpamosavy sy namono nahafaty olona ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Notanan’izy ireo an-keriny tamina trano iray ilay vehivavy ary efa nokasain’izy ireo hanaovana fitsaram-bahoaka. Nandray andraikitra manoloana izany ny Mpitandro filaminana ao Manakara ka nisy ny fampihaonana ny fianakavian’ny maty sy ny fianakavian’ilay vehivavy voalaza ho namosavy mba hamotsorana ity farany saingy nandamoka izany. Noho izany dia voatery niditra an-keriny tao amin’ilay trano nitanana ilay vehivavy ny mpitandro filaminana mba hanavotana ny ainy. Taorian’izay dia nahiboka tao amin’ny Tobin’ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana ilay vehivavy mandritra ny famotorana rehetra izay atao azy.
Pati
Legende : ity ilay ramatoa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT