Hatrany am-potony, araka ny filaza, manamorona ny RN4 iny, no efa tsikaritra ho nidangana izay tsy izy koa ny vidin’ny voasary makirana saingy mbola nisy ka nifandrombahan'ireo mpandeha amin'ireo fiara mandalo izany ny alahady teo.
1000 ariary ny iray kapoaka teo aloha ary niakatra 2000 ariary. Misy tsy mandefa an-tsinjarany fa tonga dia iray koveta kely manomboka amin'ny 10000 ariary. Efa henonay tamin'ny radio, hoy ireo mpivarotra fa lafo be io any Mahajanga sy Antananarivo. Ny tantely kosa amin’ny ankapobeny no tsy mbola niova loatra ny vidiny fa teo amin’ny 12000 ariary hatramin'ny 15000 ariary hatrany ny litatra, hoy izy ireo. Misy mpamongady avy eto Antananarivo kosa anefa, raha ny fanadihadiana natao, no nitaraina ho niharan’ny fampakaram-bidin’izay tantely izay ho 1500 ariary isaky ny litatra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.