VOANKAZO AO AMBILOBE

Hamainina ho tombontsoan’ny tantsaha


  • Talata 27 Aogositra 2024

Hanala ny olan’ny mpamokatra sy ny mpandraharaha ny milina ODOF fanamainana voankazo ao Ambilobe.

Hanampy be dia be ireo mpisehatra any amin'ny faritra ny fametrahana ny orinasa ODOF (One District One Factory) any an-toerana. Hanamafy koa ny fiaraha-miasa eo amin'ny mpamboly sy ny mpanodina, hanasongadinana ny vokatra mampalaza ny any an-toerana ka hiparitahany eo amin'ny tsena anatiny na ivelany. Notokanana ny faran’ny herinandro teo tany Ambilobe ity milina fanamainana voankazo ao anatin'ny Tetik’asa ODOF ity. Io no orinasa ODOF fahatelo notokanana tany amin’ny Faritra DIANA. Nitarika ny delegasionan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) tamin’izao lanonana izao ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indostria, Njiva Rakotoarivonona. Nanotrona izany ireo manam-pahefana any an-toerana, ny mpamokatra sy ny kaoperativa ary ireo tompon’andraikitra sy sokajin’olona samihafa.
Pati
Legende : Hamainina tahaka izao ny voankazo ao Ambilobe mba tsy lo am-pitoerana fotsiny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT