Sosialy

Voan-janakazo afafy amin’ny fiaramanidina Velon’ahiahy ireo teknisianina


  • Alatsinainy 20 Janoary 2020

Tsy te haneho hevitra mivantana hatreto ireo teknisianina momba ny ala noho ny antony maro samihafa.

 

 

 

Ny resaka nivoaka avy amin'izy ireo no nahafantarana fa mampiahiahy ary mety tsy hahomby ilay voan-janakazo hafafy ambony fiaramanidina  satria kitsapatsapa fotsiny ireo toerana handatsahana izany ary raha vao mahery ny orana dia ho simban’ny rano fotsiny ireny ka ho lò avokoa, hoy izy ireo. Aleonay mangina, hoy izy ireo fa ny fanirianay dia ho rakotra ala i Madagasikara. Ingahy minisitra moa milaza fa tena mahay mamboly hazo be dia ka ho hitantsika eo ny vokany. Tsy hahatratra 60 tapitrisa izany isika, hoy ireo teknisianina na hamboly mandritra ny 5 taona aza , raha mbola tahaka izao no fomba fiasa. Ny isa mety voaenjika fa ny maniry dia tsy hisy 10% akory, hoy izy ireo. Mila fahaiza-mitarika sy fahaiza-manao ny minisiteran’ny tontolo iainana, hoy ireo teknisiana ka fotoanany izao mba hanovana amin'izay fa vita iny ny andrana.

Marigny

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT