VOAHANGY, RENIM-PIANAKAVIANA MPIKAPO-BATO

Hazakazaka ny tontolo androny, sady mitaiza


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Samy manana ny fomba hiatrehany ny tontolo androny ny olona tsirairay avy.

Anisan’ireny i Voahangy Renim-pianakaviana, niteraka 4 mpikarama mikapo-bato eny amin’ny bibilava. Tahaka izao ny resaka nifanaovan’ny gazety Tia Tanindrazana taminy. Avy aiza ianareo dia nanomboka hoviana no niasa nikapo-bato tety ? Avy any Antsirabe izahay ary mpihavy no eto Antsobolo. Efa efa-taona izay no nanaovanay ny asa fikapoham-bato. Mifoha amin’ny 06 ora maraina aho isan’andro manao ny keninkenina rehetra ao an-tokantrano ary mitohy amin’ny asa fikapoham-bato izany manomboka amin’ny 07 ora maraina. Mahavita firy daba ianao isan’andro dia mahazo ohatrinona ? Mahavita telo daba isan’andro aho hatramin’ny 4 ora hariva. Mihoatra kely io rehefa tsy mianatra hariva ireo zanako roa 10 taona sy 14 taona. Mahazo 9.000 Ar eo ho eo izahay amin’izany satria 3.000 Ar no hividianan’ny olona ny vatokely iray daba ety aminay ety. Ampy ihany ve le vola azonareo isan’andro ? Tena tsy ampy noho ilay fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny. Isaorana an’Andriamanitra rehefa mba misy vary 4 kapoaka hohaninay 6 mianaka isan’andro miampy saribao kely. Dia tsy azo hatao antsirambina ihany koa ny solitany hanaovana jiro amin’ny alina fa tsy misy jiro izahay ety. Dia ny ambin’izay no hatao laokakely. Mpanao lava-drano mantsy no mba asan’ilay vadiko ka indraindray koa tena tsy misy mpanakarama izy. Dia ahoana no handaminanao ny fandrahoan-tsakafo sy ny fitaizana ? Efa zatra ilay asako mikapo-bato ilay zanako kely 2 taona farany dia apetraka eo izy dia tsy mitomany. Rehefa te-hinono ihany izy vao mitomany. Mitsoriaka kely manaingina sakafo aho eo anelanelan’izay. Rehefa tsy mianatra maraina moa ireo zanako lehibe dia mifanampy eo izahay.
Pati
Legende : Tahaka izao ny asa hatrehin’ny Voahangy isan’andro tsy misy andavanandro sy faran’ny herinandro intsony !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT