Efa lasitra maneran-tany ny tsy fitsabahan’ny vadin’ny filoha loatra amin’ny fitantanana ny firenena. Any anaty asa sosialy no tokony hahitana azy bebe kokoa.
Tsy dia izay loatra no ahafantaran’ny Malagasy an’i Voahangy Rajaonarimampianina satria malaza ho manjakazaka sy mitsabaka amin’ny raharaham-pitantanana sy ny fanapahan-kevitra goavana eto amin’ny firenana, malaza ho tia manao afera … izy. Nananganana kabinetra manokana teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ihany, izay nambara fa hanamorana ny asa sosialy ataony. Tsy misy ny mangarahara ao anatin’io kabinetra io, kanefa volam-bahoaka no ampiasaina, ary misy ekipa miasa sy karamaina ao. Toa hanakonana ireo toe-javatra mampalaza ratsy azy fotsiny, ka tsy misy tatitra mazava. Tombanana ho rafitra natao hitavana ireny fanampiana ara-tsosialy avy any ivelany ireny aza indraindray. Anisan’ny nalaza, ohatra, fa ny ampahany tamin’ny vary 4 000 taonina nomen’ny fanjakana sinoa ho an’ny Malagasy noho ny rivodoza Enawo no ireharehana amin’ireny fizaram-bary miendrika asa sosialy indraindray ireny. Nalaza tamin’ny vanim-potoanan’ny pesta fa natsimbadika ho amin’ny anaran’ny vadin’ny filoham-pirenena ny ampahany tamin’ny fanampiana iraisam-pirenena. Tsy nangarahara ny fitantanana ny fanampiana na ara-bola na ara-pitaovana. Tsy latsaky ny 10 tapitrisa Euros ny fanampiana iraisam-pirenena tamin’izany, saingy indrisy fa tsy nazava sy tsy nampahafantarina ny Malagasy hoe: iza avy no nandray an-tànana sy nizara azy ? Mety ho anisan’ny nahazo ny vadin’ny filoha. Nizarazara tapim-bava sy kojakoja madinika ireo irak’i Voahangy Rajaonarimampianina, fa na izy tenany aza matetika tsy dia hita tabilao firy. Matetika no ahenoana fa lasa any ampitan-dranomasina. Vao andro maromaro izay no nisy ny siosion-dresaka fa lasa nisidina indray, ka tsy hay intsony na any ivelany tokoa na eto ihany. Volany manokana sa volam-bahoaka no laniana amin’izany ? Manao bizina sy manangona harena sa tena manasoa vahoaka amin’ny asa alalan’ny sosialy tokoa ?
Nisikim-ponitra sy lasa ben’ny tanànan’Antananarivo i Lalao Ravalomanana, izany hoe sady mandray andraikitra amin’ny fanasoavana ny firenena no manome endrika tsara ny vadiny. Voafidy ho Filohan'ny Pan African “Ethanol Stoves and Fuel Alliance” ihany koa i Mialy Rajoelina, vadin'ny filohan'ny tetezamita teo aloha. Mba aiza ho aiza amin’izany i Voahangy Rajaonarimampianina ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.