Sosialy

Voafonja ao Betroka Notoloran’ny fikambanana AZIG sakafo


  • Zoma 27 Janoary 2023

Mahazo vahana raha araka ny nambaran’i Haingotiana Mamy Bernard ny kolikoly ao amin’ny fonjaben’i Betroka.

Nisy araka izany ny antso avo nataon’ity farany mikasika izany ka voarain’ny fikambanana Azig tarihin’ny filoha nasionaliny Ramihatsara Carrozza Heliarisoa. Tonga nanampy ireo voafonja tany an-toerana avy hatrany araka izany izy ireo ka nanolotra ondry miisa 2, vary 2 gony , zava-pisotro tsy misy alikaola. Niverina in-droa mihitsy ireo voafonja nandritra izany nihinana ireo sakafo ireo. Miisa 280 izy ireo no nisitraka ity fanampiana nampian’ny lehiben'ny fonja , ireo mpikarakaraka maro samihafa ary ireo mpikambana any amin’ny faritra atsimo. Tafakatra 300 isa izy ireo noho izany. Tsy hijanona ao Betroka ihany ny fikambanana Agiz manoloana izany fa hitety ireo fonja manerana an'i Madagasikara mihitsy hanampy ireo voafonja tahaka ireto tao Betroka ireto . Tamin'ny taona 2022 moa dia tany Afrika no nanaovana ny hetsika. Amin'ity taona ity kosa hiverina eto Madagasikara indray ny fikambanana AZIG. Maro ny hetsika hataony amin’izany toy ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo , ny ady amin'ny kolikoly , ary ny fiarovana zon'ireo voafonja izay mbola tsy nandalo fitsarana. Tsiahivina moa fa namerina fangatahana tamin'ny mpahay lalana sy ny fitondram-panjakana ny fikambanana nandritra izany ny mba hijerena ireo voafonja izay tsy mbola notsaraina , indrindra indrindra ny mba hanasarahana ireo gadra nanao heloka be vava sy ireo nanao heloka kelikely. Mangataka ny hijeren'ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny koliky sy ny fanjakana manokana an'i Haingotiana Mamy Bernard ihany koa ny fikambanana ary mangataka ny hamoahana azy ao am-ponja. Amin’ity fikambanana ity mantsy dia tsy nanaraka ny lalana ny nampidirana azy tao am-ponja fa baiko am-bava fotsiny. Hitohy any amin’ny distrikan’ Ikongo ny hetsika karakarain’izy ireo. Tany Atsimo kosa no nanombohana ny asa sosialy tamin’ity taona vaovao 2023 ity.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT