Sosialy

VOADONAM-PITIAVANA Noboriany ny filahiny fa tsy mety mahazo vehivavy izy


  • Zoma 16 Aogositra 2019

“Samy vita”, hoy ny tenin-jatovo manerana an’Anosikely afak’omaly, tamin’ny fehezan-teny fandrabirabiana filaza amin’ny fora zaza. Raha ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny mpiandraikitra

 

 

 

 

 

ny seraseran’ny hopitaly HJRA Ampefiloha omaly hariva izay nanamafy ny fanambaran’ny Profesora 0liva Rakoto Alison, talen’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona omaly atoandro dia avotra soamantsara ilay nanapaka tanteraka ny ankasarotany. Araka ny sary hita tamin’ny tambajotran-tserasera izay nohamafisin’ireo mpitsabo dia tapaka hatramin’ny fotony ity fitaovam-pananahana ity.

Afak’omaly maraina no nanesoran’ity rangahy ity izany, teo amin’ny tsenan’i Soamanatombo Anosy. Ny ra nitosaka no nanaitra ny manodidina sy nitondra azy tao amin’ny hopitaly. Nolazainy fa mitoetoe-poana eo aminy io ankasarotany io fa tsy mety mahita vady izy ka notapahany tarangana.

 

Saro-pady

Marihina fa tsy salama saina ity lehilahy ity. Noho io no tsy nahazoany vady sy nananany izao fahasahiana tafahoatra izao. Sarotra avotana matetika ny voa ary anisan’ny faritra saro-pady.  Tsy vao izao akory no nisy nanapaka fananahana toy izao teo amin’ny tantara. Efa nisy koa olo-malaza toa an’i Origène

izay nandray ara-bakiteny ny Filazantsara hoe : “ raha ny masonao no manafintohina anao tsy hahazoana ny fanjakan’ny lanitra dia esory izy”.

 

Haja Nirina sy Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT