Sosialy

Vitrine du Vakinankaratra Hiditra amin’ny andiany faha-25


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Raikitra ary ho tontosaina ao Antsirabe indray ny « Vitrine du Vakinakaratra », andiany faha-25 amin’ity taona ity.

Nampahafantatra ofisialy izany ny mpitantana ny FIOVa na ny Fivondronan’ny Orinasa Vakinankaratra, tompo-mariky ny hetsika hatramin’izay. Ny 31 Aogositra ka hatramin’ny faha 02 septambre 2023 izao no hanatanterahana ity hetsika goavana ara-toekarena ity, ka hampiavaka ity andiany faha-25 ity ny nahatafiditra azy ao anatin’ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroan’ity vondrona orinasa ao Vakinankaratra. Raha ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Atoa Ramarojaona Andrianjafy dia tsy dia hisy fiavahana firy tamin’izay nahafantarana azy ny hetsika satria hotazonina ireo hetsika efa nahafantarana ity hetsika ara-toekarena fanaon’ny FIOVa ity. Tranoheva hatrany amin’ny 200 isa mahery toy ny mahazatra noho izany no hampiratian’ireo Orinasa ny vokatra ao aminy sy ho fampahafantarana azy ireo amin’ny varotra fampiratiana, ary hisy ihany koa ny valan-dresaka arahina ady hevitra miompana amin’ny lohahevitra hoe: “Fanomezan-danja ireo otrikery misy eto Vakinankaratra”, izay handraisan’ny manam-pahaizana anjara amin’ny fifampizarana amin’izany. Hisy ihany koa ny fanamarihana sy fankalazana ilay faha-30 taonan’ny Vondron’orinasa ao Vakinankaratra. Ny taona 1997 no nijoroan’ity fikambanana ity, ary nisy hatrany ny hetsika tahaka izao, hatramin’ny nijoroany afa tsy tamin’ny nisian’ny valan’aretina nandalo teto Madagasikara ireny, raha ny fanamarihana sy fampahatsiahivana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT