Sosialy

Vita ny lalana, mirimorimo ny fiara Matahotra ny mponina eny Antanimenakely


  • Alatsinainy 11 Novambra 2019

Vita tanteraka ny lalana eny Antanimenakely, mihazo an’Itaosy amin’izao fotoana izao. Dibo-kafaliana ny mponina noho izany saingy sahirana ihany koa. T

 

 

 

 

oy ny nanome vahana ireo mpitondra fiarakodia handeha mafy indray mantsy izany ka ahiana handratra na hamono olona eny amin’iny faritra iny. Miantso ireo tompon’andraikitra mba hanala ireo mpivarotra amoron-dalana hita fa mibahana ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ny mponina hisorohana ny loza mety hitranga. Ankoatra izay dia mangataka ny hanazavana ny jiro eny an-dalambe ihany koa izy ireo iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Vao amin’ny 7 ora hariva mantsy dia voalaza fa efa misy mpanendaka eny Antanimenakely ka lasibatra avokoa ireo sendra tara fodiana toy ny mpianatra sy mpiasa. Tonga nihaino ny fitarainan’izy teny an-toerana ny sabotsy folakandro teo ny kandida Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina, laharana fahatelo. Nambarany fa maro ireo olona tsy maintsy hovahany raha vao lany eo ny tenany. Anisan’ny noresahiny manokana ny ady amin’ny fako miparitaka izay fantatra fa hampidirany traktera vaovao misy remorka miampy kibota. Hojerena ihany koa ny resaka jiro raha hangatahiny tolo-tanana avy amin’ny mponina ny tany ho an’izay manana hahafahana manorina EPP sy toeram-panasan-damba ary paompin-drano fisotro madio.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT