Sosialy

Vita malagasy-vokatra rofia Haodina hanara-penitra, hisy toeram-panodinana ao Antanetibe


  • Talata 09 Mey 2023

Tena malaza be ireo karazana kojakoja vita Malagasy vita amin’ny rofia amin’izao eto amintsika.

Ankoatra ireo tera-tany Malagasy dia mampiasa azy ihany koa ny tera-tany vahiny izay marihina fa tena mafy tokoa no sady mihaja. Hanampy ireo orinasa misehatra amin’izany ireo mpamatsy vola. Anisan’izany ny Kaloes izay orinasa iray misehatra amin’izany eto amintsika. Mamokatra ireo karazana kojakoja vita Malagasy vita amin’ny rofia izy io. Paikady hampihariny araka izany ny hametraka ozinina ao Antanetibe hikarakara sy hanary ireo rano maloro mandritra ny fanodinana ilay vokatra rofia. Hamatsy vola ity tetikasa ity ny banky MCB Madagascar. Tafiditra ao anatin’izany ny fikarakara ireo rofia miainga eny am-potony, fanamainana azy ireny, ny fandokoana azy ho azo havadika fitaovana hampiasaina…Nahazo tombony manokana ihany koa ny orinasa afaka haba Epsilon izay mpamokatra fitafiana haondrana any ivelany. Ny banky BNI Madagascar no mamatsy vola azy noho ny traikefa hananany ka ankoatra ny fametrahana ivon-toerana hahafahana manary ireo kojakoja tsy ilaina intsony mandritra ny fanodinany ireo karazana fitafiana dia hananganana toeram-pisakafoanana sy toeram-pivoahana ho an’ny mpiasa ihany koa ao amin’ity orinasa iray ity. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin’ilay fandaharan’asa SUNREF avokoa izany rehetra izany, izay tsy mialonjafy ho an’ireo orinasa manandratra ny vita Malagasy sy manohana ny mpiara-belona.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT