Sosialy

Vina Fanabeazana sy asa mendrika Ho jerena manokana ny tontolo ambanivohitra


  • Alarobia 13 Aprily 2022

Tontosa omaly tetsy amin ny Le Pave Antaninarenina ny atrikasa nanasoniavana ny fifanarahana momba ny drafitra hanatsarana ny kalitaon ny fanabeazana sy ny asa miompana indrindra amin ny tontolo ambanivohitra na ilay

antsoina hoe FAR. Izy io, raha ny fanazavana, dia tafiditra ao anatin’ny iraka ampanaovina ny minisiteran’ny fampianarana tekinika sy fampiofanana ara-kasa na METFP izay tafiditra anatin’ny praogramam-panjakana ankapobeny na PGE. Velirano fahaefatry ny filoham-pirenena ny hahazoan’ny rehetra fanabeazana mendrika ary faha enina ny asa mendrika ho an’ny rehetra. Mikasika izay resaka asa izay, indrindra, dia nisafidy hatramin’izay hiompana amin’ny fampandrosoana izany eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny tambazotra antsoina hoe FARMADA izay mitondra izao drafitra izao. Miompana amina fomba fiasa miisa 3 lehibe, raha fintinina, ny paikady apetraka dia ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’ireo mpikambana anatin’ity tambazotra ity, ny fampandrosoana ny vokatra na Label antsoina hoe SOA FAR ary ny fanampiana ireo mpikamban’ny FARMADA amin’ny fampiroboroboana ny ivon-toerana tantanin’izy ireo, hoy hatrany omaly ny fanazavana voaray.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT