Sosialy

Village VOARA Andohatapenaka Tsy mbola nisy traboina nafindra hatramin’ny omaly


  • Alakamisy 07 Febroary 2019

Tsy mbola nisy traboina nafindra hatramin’ny omaly eny amin’ny tanàna Voara Andohatapenaka. Raha ny vaovao azo teny an-toerana dia vao ny fanokafana ny trano no natao ary mbola arahina fikarakarana manokana izany.

 

 

Anisan’ireny ny famatsian-drano ho an’ny tokantrano tsirairay… Tsy mbola nahazo vaovao marim-pototra mikasika izay hahatongavan’ireo traboina eny an-toerana kosa ireo mpiambina ny tanàna. Raha tsiahivina, ny alahady lasa teo no niteny ny fitondram-panjakana fa hafindra eny amin’ny tanàna Voara eny Andohatapenaka sy eny Ambohidratrimo ireo traboina vokatry ny fianjeran’ny vato teny Ampamarinana sy Tsimialonjafy. Ho an’ity farany manokana raha ny fanazavan’ny sefom-pokontany omaly dia fianakaviana traboina miisa folo no alefa eny Ambohidratrimo hanorina fiainana vaovao ao anatin’ilay trano mora. Mbola miandry ny fanapahan-kevitra manaraka  kosa ny sasany. Ho an’Ampamarinana indray dia mizarazara be ihany ny vaovao azo. Misy amin’ireo mponina mantsy no nahare feo fa alefa eny ambohitratrimo izy ireo raha misy ihany koa ny mahare fa alefa eny amin’ny tanàna voara Andohatapenaka ho an’ireo manaiky ny hiala. Nambaran’ny sefom-pokontany fa tsy omaly no hanatanterahana azy  fa mety afaka andro vitsivitsy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT