Sosialy

Vidin’ny simenitra Antsasany na ampahatelon’ny eto ny any Maurice


  • Zoma 05 Novambra 2021

Akora tena mampikaikaika ny Malagasy amin’izao fotoana izao ny fitaovana fanamboaran-trano sy fotodrafitrasa, ka mitana ny lohalaharana amin’izany ny simenitra sy ny vy.

 Nahitana fiakarany avy roa heny io vidin’ny simenitra sy vy io. “Tsy fahafehezana ny saran’ny fitaterana fitaterana iraisam-pirenena. Tsy fahafehezana ireo sambo mpitatitra entana. Sambo 2 isam-bolana no tonga manatitra simenitra eto”, hoy ny fanazavan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao Atoa Gérard Andriamanohisoa omaly tamin’ny fahitalavitra. Nambara fa efa nisy ny fidinana ifotony tany Toamasina nijerena ny zava-misy. Miakatra be dia be, hoy izy, ny filàna simenitra. Raha tao anatin’ny 3 taona, dia niakatra avo 3 heny noho fihazakazaky ny fananganan-javatra. Niakatra hatrany amin’ny 600 000 taonina, rah any fanazavana. Tsy voafehy anefa, tsy ilay tahiry taloha io miakatra io, fa na ny vaovao aza. Eo ihany koa ny vidiny iraisam-pirenena. Isan’ny voalaza fa fepetra ny fisian’ny ny didim-panjakana hoentina mandrindra ny kalitaon’ny fitaovana hoenti-manorina eto Madagasikara. Izay ny fanazavan’ny tompon’andraikitra Malagasy, fa raha tsy handeha lavitra isika, fa atsy amin’ny Nosy maorisy, dia ekena fa nisy fiakarana ny an-dry zareo tany amin’ny aogositra, saingy ny oktobra dia niverina tamin’ny laoniny. Avo roa heny amin’ny vidin’ny simenitra eto amintsika ny azy ka raha 142,40 Roupies ny simenitra mitondra ny marika Baobab 6 talohan’ny 1 oktobra, dia nidina ho 134,60 Roupies na 13 000Ar eo amin’ny volantsika nanomboka tamin’ny 01 oktobra; Ny simenitra Baobab Mazi kosa 147,90 roupies nidina ho 139,80 na 13 700Ar eo amin’ny vola Malagasy ny iray lasaka. Ny eto Madagasikara anefa 36 000Ar sy 37 500Ar, misy fa tonga hatrany amin’ny 45 000Ar aza kanefa tany amin’ny 25000Ar tany aloha. Tamin’ny andron’ny andron’ny LafargeHolcim io tompon’ireo orinasa mpanao simenitra taty amin’ny Ranomasina Indianina teo aloha io, fa amin’izao efa lasan’ny CEMENTIS izany. Ny mahagaga fotsiny dia hoe: Vondron’orinasa iray ny teto sy tany Maorisy koa nahoana ny eto no avo roa na avo telo heny? Izay eo ihany, fa mba aiza ilay velirano efa tamin’ny 2012 hanao ozinina mpanamboatra simenitra amin’ny vidiny mora dia mora ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT