Vidin’ny PPN

“Misy fidinany kely ny vary”


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Tafidina hatrany amin’ny 2500 Ar ny kilaon’ny Vary gasy amin’izao fotoana izao

raha 2400 Ar ny Semence sy ny Varin’Ambatolampy. Anatin’ny fararano isika dia miaka-bokatra ny eto an-toerana. Manaraka vanim-potoana toy izao foana ny vidin’entana isan-taona, araka ny fanazavan’ny mpandraharaha ara-barotra eny Anosibe, Juliette Ranaivomanana. Midina koa ny vidin’ny menaka sy ny lafarinina.Paik’adin’ny fitondram-panjakana hialàna tsikelikely amin’ny fiankinan-doha amin’ny any ivelany ny fampitomboana ny vokatra sy famokarana eto an-toerana ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Raha ampitahaina amin’ny tamin’ny taona 2022 dia nihena tany amin’ny antsasany ny fanafarana vary avy any ivelany. Raha mandalo fotoanan’ny maitso ahitra ny fanjifana vary isan-taona, eo amin’ny volana Oktobra ka hatramin’ny volana Aprily, dia voafetra ihany koa ny fotoana mahavokatra ny fary ka ahafahan’ny orinasa mpanamboatra siramamy mihodina. “Mampiakatra ny vidin’ny siramamy amin’ny vanim-potoana sasantsasany koa izany”, hoy ny Tale misahana ny Varotra anatiny eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), Andriniaina Randriamiaramahefa.
Pati
Legende : Manomboka midina ny vidin’ny PPN eny an-tsena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT