Sosialy

Vidin’ny menaka midangana Nampitandrina ny ANMCC


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Misy ireo mpivarotra sasany no manararaotra mampiakatra ny vidin’ny menaka fihinana eny an-tsena, hoy ny avy ao amin’ny rafitra mpanao fanadihadiana momba ny lalàn’ny fifaninanana ara-barotra na ny ANMCC.

 

 

 

Taorian’ny fanambarana ny hanaovana fanadihadiana mikasika ny fandraisana fepetra toy ny fampitomboana ny hetra alaina amin’ireo menaka miditra avy any ivelany no nisy avy hatrany izay fanararaotana izay. Natao ny fepetra ho fiarovana ny fanondranana sy ny tsena anatiny eto Madagasikara. Mbola miandry ny fiaraha-midinika eo amin’ny minisiteran’ny varotra sy ny Indostria ary ny asa tanana, ny avy amin’ny fadin-tseranana ary ny ANMCC iarahana amin’ireo mpandraharaha mpanafatra entana izany. Nilaza ny teo  anivon’ny  ANMCC fa tsy handefitra amin’ireo mpanararaotra ireo ary hitsinjo hatrany  ny orinasa Malagasy amin’ny fanapahan-kevitra rehetra horaisina.

Tsirinasolo

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT