Sosialy

Vidin’ny atody Ahiana ho tafakatra 800 Ar amin’ny fety


  • Talata 09 Novambra 2021

650 Ar no vidin’ny atody iray lehibe sy voafantina amin’izao eny an-tsena ankehitriny raha 350 Ar ireo efa misy vaky sy madinika amidy etsy amin’ny tsenan’ny atody etsy Antohomadinika.

 Nahitana fiakarany io vidin’ny atody io raha araka ny fitarainan’ny Renim-pianakaviana iray mpivarotra eny an-toerana izay nomarihiny fa hatrany am-potony mihitsy. Noho ny fiakaran’ny vidin’ny provandy no voalaza fa anton’izany. Raha 2.000 Ar mantsy ny iray kilao tamin’ny provandy teo aloha dia efa tafakatra 330 Ar amin’izao. Mahatsiaro ho sahirana tanteraka ireo mpiompy akoho manatody lava noho izany. Misy amin’ireo akora fototra fanamboarana provandy rahateo no fantatra fa hafarana avy any ivelany. Miantso ny Fitondram-panjakana araka izany ireo mpiompy mba hijery izay fomba hifehezana ity vidin’ny provandy ity. Raha sanatria ka tsy voafehy mantsy izany dia nambaran’ireo mpivarotra atody fa nety ho tafakatra hatrany amin’ny 800 Ar ny vidin’ny atody iray amin’ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona ho avy izao.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT