Sosialy

Vidin’entana Lasa 500 Ar ny voasary mankirana iray


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Nisy sahady ireo entana efa niaka-bidy teny an-tsena taorian’ny niparitahan’ny vaovao fa hiditra anaty fihibohana tanteraka mandritra ny 15 andro ny Faritra Analamanga manomboka anio Alatsinainy.

 

 Lohalaharana tamin’ireny ny voasary mankirana noho izy ireny voasokajy ho ao anatin’ireo sakafo mitondra hery fiarovana sy vitamina miady amin’ny gripa indrindra ao anatin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Lasa 500 Ar ny iray raha telo 100 Ar teo aloha. Nambaran’ireo mpivarotra moa fa any amin’ireo mpambongady mihitsy no mampiakatra ny vidin’ny voasarimakirana fa tsy avy amin’izy ireo. Na izany aza dia mbola tsy nahitana fiakarany kosa ny vidin’ny vary, menaka, siramamy ary saribao omaly, zavatra izay tena ilain’ny olona mba tsy hisian’ny fivezivezena mivoaka miantsena matetika, ho fitandroana ny fahasalaman’ny rehetra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT