Sosialy

Vidin’entana eny an-tsena Ny vary no tena mbola lafo


  • Alarobia 01 Aprily 2020

Raha tena nanahiran-tsaina ny maro ny fidangan’ny vidin’entana teny an-tsena ny herinandro teo noho ny fisian’ilay tsy fahafahana mivoaka nateraky ny coronavirus dia efa manomboka midina tsikelikely izany ankehitriny.

 

 

Ankoatra ny vary izay mbola tena midangana eny amina tsena sy mpivarotra maromaro ihanyraha ny eto Antananarivo dia efa nahitana fidinany kosa ny vidin’ireo karazan-tsakafo voalaza fa mampiakatra hery fiarovana. Ho an’ny voasarimankirana ohatra dia efa nidina ho 100 na 200 Ar ny iray raha tafakatra 1.000 Ar teo aloha. Efa lasa mahazo sakamalaho ihany koa amin’izao 200 Ar raha efa tafakatra 8.000 ka hatramin’ny 10.000 Ar ny iray kilao teo aloha. Efa nidina ho 15.000 Ar ihany koa ny iray kilao amin’ny tongolo gasy amin’izao raha efa nahatratra 25.000 Ar teo aloha… Tsy mbola nahitana fidinany kosa anefa ny vidin’ny vary makalioka. Mbola mihenahena hatreo amin’ny 2.800 Ar hatrany mantsy ny iray kilao amin’izao raha efa noferan’ny Ministeran’ny varotra ho 2.100 Ar izany nandritra ny fidinana ifotony sy ny fanentanana nataon’izy ireo. Mbola mijanona ho 2.100 Ar ihany koa ny iray kilao amin’ny vary stock fotsy eny an-tsena. Fanontaniana mipetraka ny hoe : fa resi-tory tampoka ve ny ao amin’ny ministeran’ny varotra no tsy nahavita nanara-maso akaiky ny vidim-bary intsony sa efa niova ny laharampahamehana ? Ekena fa misy ny vary mora saingy tsy ampy ho an’ny rehetra ilay 1.000 Ar isan-kilao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT