Sosialy

Vidin’entana eny an-tsena Nahitana fiakarany avokoa ny ankamaroany


  • Talata 13 Novambra 2018

Nahitana fiakarany avokoa ny vidin’entana eny an-tsena efa ho iray volana izao, indrindra fa ireo kojakoja fampiasa andavanandro.

Anisan’izany ny vary gasy izay tafakatra 2.300 Ar ny iray kilao raha 2.000 Ar teo aloha, antony nahatonga ny iray kapoaka ho lasa 600 Ar.  Toraka izany koa ny menaka anaty tavoahangy tsy misokatra izay lasa 4.600 Ar ny iray litatra raha 4.200 Ar teo aloha.  Ny lafarinina izay efa tafakatra 100.000 Ar ny iray gony ankehitriny raha 90.000 Ar teo aloha, ny siramamy  izay lasa 2.300  Ar ny iray kilao raha 2.000 Ar teo aloha. Hatrany am-potony mihitsy, hoy ny mpivarotra no mampiakatra ny vidin’entana. Noho ny haratsian-dalana ateraky ny ranon’orana kosa no mahatonga ny vidim-bary hiakatra. Ankoatra ireo, efa misy mahatratra 25.000 Ar ihany koa ny iray gony amin’ny arina fandrehitra ankehitriny eny an-tsena.  Teo aloha anefa  15.000 Ar dia efa nahazo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT