Sosialy

Vidin’entana eny an-tsena Mbola misy sahy manararaotra ihany


  • Alarobia 25 Martsa 2020

Na eo aza ny fepetra apetraka sy fampitandremana ataon’ny avy eo anivon’ny fitondram-panjakana ny amin’ny tokony hampidinana ny vidin’entana ilaina an-davan’andro eny an-tsena dia mbola misy amin’ireo mpivarotra hatrany no mampihatra vidin’entana mihoam-pampana, raha ny fitarainan’ireo mpanjifa.

Mitohy ny fanararaotana. Misy mpivarotra efa nampidina ny vidin’ireo sakafo heverina ho mitondra otrikaina toy ny voasary makirana ihany saingy ny vidin’ny legioma toy ny Ovy indray no tsikaritra ho midangana. Manodidina ny 3500 ka hatramin’ny 4000 ariary izany, raha ny hita tamin’ity 24 martsa 2020 ity. Raha ny fanazavan’ireo mpivarotra dia isan’ny manahirana azy ireo ny toe-draharaha satria tsy toy ny tombony hita ao anatin’ny tsena ara-dalana ny tsena hita ao anatin’izao krizy izao, indrindra moa, fa voafetra tsy fidiny koa ny ora azo hivarotana.Nisy omaly ireo trano fivarotana voatery nakatona noho ny tsy fanajana ny lamina napetraka, mbola hitohy ny fitsirihana; nilaza kosa anefa ny fitondram-panjakana fa hisy ny fandaminana hiarahana amin’ireo mpambongady mba tsy hahalafo any am-piaingana ny entana;ny tanjona dia vidin’entana zakan’ny vahoaka no hita eny an-tsena, mandray ny andraikiny ny fanjakana hahatongavana amin’izany.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT