Sosialy

Vidin’entana eny amin’ny mpamongady Tsy nisy fiakarana aloha hatreto


  • Zoma 13 Aprily 2018

Taorian’ny fiakaran’ny solika sy ny fanambaran’ny fikambanan’ny mpitatitra ny amin’ny fisondrotan’ny saran-dalana ho 700Ar amin’ny 25 aprily ho avy izao dia tsy mbola nisy fiovana aloha ny vidin’entana eny amin’ny mpamongady.

 

 Hatreto aloha tsy niakatra ny vidin’entana amin’ny ankapobeny araky ny resaka nifanaovana tamin’Andriamatoa Norbert, mpamongady iray. Nanambara kosa anefa izy fa rehefa miakatra ohatran’io ny vidin-tsolika dia matetika miakatra hatrany ny vidin’entana. Ahiana ny fisondrotana atsy ho atsy. Tsy fanararaotana fa aterin’ny fiara ny ankamaroan’ny entana amidy ka tsy maintsy hikajy ny solika laniny ireo mpanatitra entana (livraison) ireo araka ny nambarany. In-2 isaky ny herinandro no manao komandy amin’izao fotoana izao raha in-4 tamin’ny taona 2014. Arak’izany dia mihena ihany koa ny vola lafo isan’andro. 2 tapitrisa ariary hatramin’ny 5 tapitrisa ariary no vola maty isan’andro ankehitriny. Io 5 tapitrisa io anefa ny vola azo rehefa tsy mandeha ny tsena 10 taona lasa izay, hoy i Mr Norbert. Tombony hatrany aloha ny fananana mpanjifa raikitra hatramin’izay 30 taona nivarotany izay. Na dia maro aza ny mpifaninana dia nezahana notazomina hatrany ny mpanjifa mividy entana. Tokony hojeren’ny fanjakana haingana ny vahaolana amin’io vidin-tsolika sy saran-dalana io mba hitazonana hatrany ny vidin-javatra amin’izao izay efa mampikaikaika ny maro aza, hoy ity mpambongady namarana ny teniny.

Tsiry

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT